Psalms 131

Fiononam-po sy fiankinana amin’ Andriamanitra

Fihirana fiakarana
Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga.
. Nataon’ i Davida.

1

Jehovah ô, tsy nirehareha ny foko, ary tsy niandranandrana ny masoko: Ary tsy nisaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, Na izay saro-pantarina tsy takatro.
2Fa nampionona sy nampangina ny fanahiko aho; Tahaka ny zaza efa maoty eo amin-dreniny. Dia tahaka Izany ny fanahiko ato anatiko. 3Ry Isiraely ô, manantenà an’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.
Copyright information for Mg1865